Tranga miteraka disadisam-piarahamonina ao Ankazobe ny figadran’ny ben’ny Tanànan’i Marondry. Nampangaina ho nanamora ny fitsaram-bahoaka izy. Miaro azy ny depiote, mandetika ny fitsarana.
“Tsy mbola nisy fanatonana na fanontaniana nataon’ny depiote fa tonga dia fanaratsiana sy fanimbana ny saim-bahaoka avy hatrany tany amin’ny tambajotran-tserasera no niseho”. Io ny fanazavan’ny mpisolo Tonia mpampanoa lalàna, Rakotoarimalala Manjaka, fitsarana ambaratonga voalohany, Ankazobe. Nentiny namaliana ny fanaratsiana sy ny fanasoketana ny fitsarana nataon’ny depiote Rajerison Antoine izany. Fampitam-baovaon’ny minisiteran’ ny Fitsarana, omaly, no nanamarina izany. “Malalaka ny varavaran’ny fitsarana, raha misy olona manana fanontaniana momba ny raharaha iray, indrindra raha misy fanamarihana tiana horaketina an-tsoratra”, hoy ny mpitsara. Natao hampiharana ny tarigetran’ny fitsarana izany: manakaiky vahoaka, tsy mitanila, tsy mijery tavan’olona na inona toerana na andraikitry ny olona iray.
Raha tsiahivina, nisy trangana fitsaram-bahoaka tao amin’ny kaominina Marondry, ny 5 janoary 2026, nahafatesana tovolahy iray ahiahina ho nanao fanolanana. Nanokatra fanadihadiana ny fampanoavana. Taorian’izay, nalefa teo anivon’ny mpitsara mpanao famotorana ny raharaha, notanana vonjimaika am-ponja ny ben’ny Tanàna. Raha jerena ny antontan-taratasin’ady, voamarin’ny fijoroana vavolombelona maro ary nohamafisin’ny voampanga koa fa tsy nisy fitakiana fitsaram-bahoaka teny an-toerana. Ramatoa ben’ny Tanàna no namoaka ilay tovolahy tao amin’ny biraon’ny kaominina ary natolony ny fokonolona mba hatao fitsaram-bahoaka, narahin’ny fitenenana: “Vonoina izy. Tsy vonoina eto amin’ny faritry ny kaominina, fa entina somary lavidavitra”.
Tsy izay hita eny amin’ny tambajotran-tserasera fa izay voarakitry ny antontan-taratasin’ady ihany no andraisan’ny fitsarana fanapahan-kevitra hitanana vonjimaika any am-ponja na tsia ny voampanga iray.
R. Nd.




