Nandray anjara tamin’ny fakan-kevitra momba ny fitantanana ny raharaham-pifidianana eto Madagasikara ny antoko MMM (Malagasy miara-miainga). Anisan’ny nivoitra tamin’izany ny tsy faneken’ity antoko ity ny fihoaram-pefy amin’ny fifidianana, ka mitaky sazy hentitra ny MMM ho an’ izay manao izany. Ho azy ireo, zava-dehibe ny fisian’izao fifampidinihana izao. Efa ela ny antoko no naneho ny fahavononany handray anjara amin’ ny fanatsarana ny rafi-pifidianana. Tsy tokony hijanona amin’ny fanitsiana ara-teknika fotsiny anefa izany, fa hitarika amin’ny fanavaozana tena izy, izay hametraka rafitra mazava, mangarahara ary hahafahan’ ny olom-pirenena matoky bebe kokoa ny fifidianana.
Tao anatin’izany, natolotry ny MMM tamin’ny fomba ofisialy ho an’ny fitondrana Fanavaozana, ny Ceni ary ireo mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena ireo antontan-kevitra sy sosokevitra efa nodinihin’ny antoko nandritra ny fotoana ela.
Anisan’ny natolotra tamin’ izany ny tolokevi-dalàna fehizoro mialoha momba ny rafitra ankapobeny amin’ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka. Teo ihany koa ny tolokevi-dalàna mialoha momba ny satan’ny Ceni.
Ankoatra ny fanatsarana ny fomba fitantanana ny fifidianana, mihevitra ihany koa ny MMM fa mila jerena miaraka amin’izany ny lafiny hafa mifandray amin’ny maha olom-pirenena sy ny fahafahana mirotsaka hofidina.
Mi.Raz




