Raikitra ny fifaninanana masina politika. Tsy ivelan’ny Fanavaozana intsony no mihazakazaka fa ny ao anatiny mihitsy. Efa mazava rahateo ny zotra fa mankany amin’ ny fifidianana sy ny fitsapankevi-bahoaka. Iaraha-mahita ny fihetsiketsehana eto an-dRenivohitra sy ny isam-
paritra. Fampisehoan-kery amin’ny endriny samihafa izao: famoriam-bahoaka, fampisehoana, atrikasa misarika tanora. Ny filalaovana facebook, tsy asian-teny intsony.
Samy manovokovoka avokoa ny hery velona mpanohana fitondrana. Manao izay hambabo ny fon’ny Filoha. Inona no maharatsy izany? Tsy misy hiaraka amin’ny tsy afaka koa. Ilaina ny fifanampiana sy ny fiaraha-miasa. Madagasikara mandroso sy mihavao no tanjona. Tsy afaka ny hiolonolona rahateo. Izay mitabe tsy lanin’ny voay. Tsy mahalasa lavitra rahateo ny mandeha irery. Mahavery amin’ny kajikajy. Asakasak’izay hihambo tsy tia vary mohaka eo.
Tsy azo tsinontsinoavina ny firaisankina. Paikady politika mahomby rahateo ny antso avo hiarahana mientana hampandany olona na firehan-kevitra iray. Efa mihavakivaky tsikelikely rahateo ny mpitolona amin’izao fotoana izao. Ny antoko lehibe efa samy manofinofy ny haka lapa. Ny ao an-dapa miaro ny sezany. Ny samy tanora efa manao ny ataony. Izay ilay fitiavan-tanindrazana aminy. Ady sisika lavareny, tsy mety vita baikoin’ny antony samihafa.
Tsy hita ifanomezan-tsiny, manao izay ho afany ny rehetra. Samy te hitondra izay mba vitany. Tsy sakana intsony izao ny olona notohanana na hotohanana. Tsy sanatrian’ny vava ka tanalahy fa mihofohofo tsikelikely fotsiny. Ahoana tokoa no ahafahana hiasa anatin’ny fanoherana na any ivelan’ny sehatra efa misy sy tompom-pahefana? Mila manao izay vita raha mbola afaka manao.
Tsy mila miandiandry baolina mitontona izany ny fitantanana firenena. Tsy mila manao daka rivotra fotsiny!
r.r




