Nahemotra amin’ny fotoana manaraka ny fandinihan’ny Antenimierampirenena ny volavolan-dalàna momba ny heloka ana habaka, fa ny volavolan-dalàna lah. 039/2026 tamin’ny jolay 2026 momba fampiasana azo antoka sy milamina ary amim-pahalemana ny teknolojia nokleary eto Madagasikara indray no nodinihina teny Tsimbazaza, omaly, namaranana ny fivoriana tsy ara-potoana.
Tonga nanao veloma ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny Iavoloha, omaly, ny ambasadaoron’i Kaomoro, Sem Caabi Elyachroutu Mohamed, namarana ny iraka maha diplaomaty niasa teto Madagasikara azy nandritra ny 13 taona. Fanirian’ny filohan’ny Fanavaozana ny hitohizan’ny fiaraha-miasa hatrany eo amin’ny firenena roa tonta.
Tontosa teny amin’ny birao foibe toeran’ny Fiombonan’ny fiangonana kristianina eto Madagasikara (FFKM), eny Anjohy, afakomaly, ny famindran-draharaha teo amin’ny tonian’ny FFKM teo aloha, ny Rév Ranaivoarivelo Vonjisoa Tahiana, izay avy amin’ ny EEM. sy ny tonia vaovao, Rév Père Tongamanana Raymond, avy amin’ny Ekar.




