Misitraka famatsian-jiro araka ny tokony ho izy ny mponina eny Vontovorona. Tanteraka izany satria nosoloina vaovao daholo ny tariby mitonda herinaratra ao an-tanàna.
Efa antitra daholo ny tariby mitondra herinaratra eny amin’ny tanànan’i Vontovorona, kaominina Alakamisy Fenoarivo. Miantraika amin’ny famatsian-jiro isan-tokantrano izany, satria, midina sy miovaova ny tanjaky ny herinaratra, sady tapatapaka matetika ny jiro. Nosoloin’ny Vondrona Filatex daholo, noho izany, ny tariby mitondra herinaratra ao amin’ny tanànan’i Vontovorona, miaraka amin’ny ONG Yamuna. Mirefy 400 metatra ny tariby hapetraka, hanoloana tanteraka ireo tranainy. Mponina miisa 1 500 no hisitraka izany, ahitana tokantrano 350 ao amin’ny fokontany Antanety II, miaraka amin’ ny biraon’ny fokontany, ny toeram-pitsaboana CSB ary ny sekolim-panjakana.
Tafiditra ao anatin’ny andraikitra ho an’ny fiarahamonina (RSE) ataon’ny Vondrona Filatex miaraka amin’ny ONG Yamuna sy ny fikambanana Tsinjo MNA any Vontovorona izao hetsika izao. Toy ny toby fandraisana ankizy, tohanan’ny Consulat honoraire Espagne ny fitaizana ankizikely miisa 25, ny trano fanofanana niomerika, ny teny frantsay, ny fampianarana asa ny tanora, sns. Eo koa ny tetikasa manohana ny tanora sy ny vehivavy, ny olona manana fahasembanana, ao anatin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo.
Fiaraha-miasa 3P
Tafiditra ao anatin’ny fiaraha-miasa telo tonta 3P, ny Fanjakana, ny tsy miankina, ny ONG ity tetikasa ity. Namatsy vola manontolo amin’ny fividianana fitaovana sy ny fametrahana azy ny Vondrona Filatex, tarihin’i Hasnaine Yavarhoussen. Manatanteraka azy ny Jirama, izay nametraka andrin-jiro vaovao ihany koa.
Nivoitra nandritra ny lahateny tamin’ny fitokanana ny zava-bita, ny 4 septambra teo, fa afaka manatanteraka tanjona iombonana ho tombontsoan’ny vahoaka ny fanjakana, ny tsy miankina ary ny fikambanana. Hanatsara ny fiainan’ny fianakaviana izao, hanamafy ny fanabeazana sy ny sosialy ho an’ny ankizy, ny tanora, ny vehivavy eny Vontovorona ihany koa.
Njaka Andriantefiarinesy




