Akora fototra: antoky ny fanodinana ny indostria

Hampitombo ny vokatra anatiny sy ny fanodinana eto an-toerana. Ireo no vina apetraky ny fanjakana amin’ny fampifandraisana ny sehatry ny fambolena sy ny fiompiana amin’ny indostria. Nisonga­dina izany nandritra ny “Atsimo Andrefana Business week” izay natao tao amin’ny Jardin de la mer, Toliara, ny alaka­misy teo. “Tokony hifamatotra bebe kokoa ny famokarana eny ifotony sy ny indostria”, hoy ny minisitry ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina, Rahariman­jato Ny Riana Na­mpoina, ta­min’ny famelabelaran-kevitra nataony. Vina apetraky ny fanajakana, hoy izy, ny hampiakatra ny sanda fanampiny amin’ny fampitomboana ny vokatra anatiny, hamorona asa sy hampiroborobo ny in­dostria eto an-toerana. Anki­lany, mila rojom-pihariana matanjaka ny sehatra mba hahafahan’ny vokatra eto an-toerana mamaly ny filan’ny tsena. Manana tombony ny faritra Atsimo Andrefana amin’ ireo vokatra ananany, toy ny katsaka, legioma maina, hena, ronona ary menaka izay azo ahodina eto an-toerana sy afaka ampitomboina sanda ara-toekarena. Miteraka asa sy tombontsoa ho an’ny mpamokatra sy ny orinasa malagasy izany.

Fitaovana
Anisan’ireo rafitra manohana ny vinam-panjakana ny tetikasa maro iarahany amin’ ny mpiara-miombon’antoka
sy mpampiasa vola eto an-toerana sy any ivelany.
Ho an’ny faritra Atsimo Andrefana, tanjona ny hamokatra, hanodina ary hitondra sanda fanampiny eto an-toerana. Kendrena ao anatin’ izany ny hanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo sy
ara-indostrialy ho an’i Mada­gasikara. Hanamafy koa ny fahafahan’ny faritra misarika mpampiasa vola.

Henintsoa

Partager sur: