Hatrany ivelany no efa manana sy nahatafapetraka ny anarany i Joely, raha eo amin’ny tontolon’ny hatsikana sy ny fampihomehezana. Raha tao anaty tambajotra no anisan’ny nahafantarana azy. Ho avy ny seho sehatra « Marina mafy ».
Hifanome fotoana, etsy amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena sy kolontsaina Imahamasina, ny 13 septambra ho avy izao, i Joely, mpanao hatsikana, mpampihomehy sy ireo mpankafy ny sanganasany. Raha ny fanazavana nataon’ny mpikarakara, Ivenco sy Orange Madagascar, teny amin’ny Gara Soarano, omaly. Ito seho nampitondraina ny lohateny « Marina mafy » ito no fampisehoana momba ny fampihomehezana voalohany, hatao ao amin’io toerana io. Nambaran’ ny tomponandraikitra fa « ho hita sy heno ary hianohana mandritra ity seho ity ny tsikitsiky, hehy, vazivazy, anatra, hafatra…!” .
Nilaza i Joely fa hiompana tanteraka amin’ny fahazazana ny seho handeha amin’io fotoana io. “Hiompana kokoa amin’ny fahazazako ny seho, saingy, mifandray amin’ny fahazazana nolalovan’ny Malagasy maro”, hoy i Joely. Manana tanjona manokana hanaovana ny seho tahaka izao izy, raha ny nambarany. “Tanjoko manokana hanaovana ity dia ny hamerina ny voninahitra sy ny hasin’ny sehatry ny fampihomehezana eto Madagasikara”, hoy izy nanamafy izany.
Maharitra adiny telo eo ho eo ny hanehoan’i Joely ny talentany mandritra ny seho « Marina mafy ». Fizarana voalohany, hisy mpanao hatsikana sy mpampihomehy efatra, hanapa-tsinay ny mpijery. Marihina fa manohana hatrany an’i Joely, ny orinasa Orange Madagascar, ary efa naharitra dimy taona teo ny fiaraha-miasan’izy ireo. “Hisaorako manokana ny Orange, izay nanohana ary nanaja tanteraka ny fiaraha-miasa hatramin’izay. Ary ny hirariako dia ny hitohizan’izany ho maharitra kokoa”, hoy i Joely.
Fitia Randria




