Tafiditra ao anatin’ny « Andron’ny haisoratra ». Ho fanamarihana ny faha-74 taonan’ny Fikambanan’ny poety sy ny mpanoratra malagasy Havàtsa-Upem, anio no hanatanterahina ilay « Dia rodoben’ny vakiboky an-dalambe » andiany fahefatra (taona 2026). Manomboka amin’ny 9 ora maraina, eo anoloan’ny Lapan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, ny famakiana boky. Mizotra mankany amin’ny Garan’i Soarano. Mihodina mizotra mahitsy tahaka ny mankany Andohan’Analakely. Tonga eo anoloan’ny Tahala Rarihasina Analakely.
Mandritra io no hifandimby mamaky ny boky eny am-pelantanany amim-peo avo ny tsirairay. Malalaka rahateo ny karazana soratra (tononkalo, tantara…) azo vakiana amin’io fotoana io, hanasan’ny Havàtsa-Upem ny olon-drehetra ity hetsika ity.
Tsetsatsetsa tsy aritra. Raha ny boky lafo teny amin’ny toeram-pivarotam-boky no atao maridrefy, ny Malagasy no nitana ny laharana voalohany tamin’ny famakiam-boky taty Afrika talohan’ny taona 1972. Ankehitriny, na ireo trano fivarotam-boky tamin’izany aza saika nikatona ny ankamaroany.
HaRy Razafindrakoto




