Jiolahy roa no nikasa hanafika teny amin’ny manodidina ny trano dimy Ampangabe, afakomaly hariva. Tonga ara-potoana nisoroka izany ny polisy roa lahy avy eny Ilanivato. Voatifitry ny jiolahy ny iray tamin’ireo polisy ka naratra mafy.
Poa-basy miisa roa no henon’ny mponina teny amin’ny manodidina ny Trano dimy, fokontany Ampangabe, afakomaly, tokony ho tamin’ny 7 ora sy fahefany hariva. Voatifitry ny jiolahy teo amin’ny kibony, ny polisy iray miasa eny amin’ny biraon’ny polisy Ilanivato. Vokany, naratra mafy ity farany. Noentina namonjy ny hopitaly tetsy amin’ny HJRA Ampefiloha.
Raha ny fanazavana voaray, nahazo vaovao avy amin’ ny olon-tsotra ny polisy miasa eny amin’ity paositry ny biraon’ny polisy ity. Voalaza tamin’izany, fa misy lehilahy roa nitondra antsy mandehandeha eny an-toerana, hita tamin’ny lalana hivoaka mankany amin’ny Pharmacie Volahanta Anosibe. Nijoro teo
amin’ny vavahadin’olon-tsotra iray teny an-toerana izy ireo ka nampiahiahy ny mponina.
Tsy niandry ela, nidina ifotony nijery ny zava-misy ny polisy miisa roa nandeha moto. Mbola tazana nijoro teo alohan’ny vavahadin’olona ireto olon-dratsy. Vao nahatazana polisy izy ireo, namoaka basy, nitifitra avy hatrany. Vokany, voatifitra ny polisy iray raha izy vao hidina ny moto. Nitsoaka ireo jiolahy taorian’izay.
Niatrika fandidiana
Noentina nihazo ny hopitaly HJRA Ampefiloha ilay polisy naratra. Niatrika fandidiana avy hatrany izy vao tonga teny an-toerana. Tonga nitsidika azy ny tomponandraikitra isan-tsokajiny. Nihazo teny an-toerana nisehoan’ny voina, manampahefana isan’ambaratongany ao amin’ny kaomisaria Foibe, niaraka tamin’ny polisin’ny hery vonjy taitra avy amin’ny UIR, Sag ary CUI, ary koa ny Lehiben’ny kaomisaria Mahamasina, Isotry, ary ny lehiben’ny paositry ny polisy Ilanivato.
Fantatra fa nikasa hanafika Cash point iray teny an-toerana ireo olon-dratsy.
Mino




