Tselatra

Lehilahy iray 50 taona, nitondra moto, no tra-doza teny amin’ny Katsaka, Ambatomirahavavy, omaly hariva tamin’ny 6 ora latsaka 10 minitra. Nitondra moto izy, ary efa tsikaritry ny nivilavila. Nifanohitra tamin’ny taxi-be nifanena taminy izy ary naratra mafy.
Fatin-jazakely tombanana ho telo volana no hita nisy nanary teny amin’ny sisin-tanimbary, Ambanin’ny Lalamby, akaikin’ny toerana fanasan-damba manamorona ny tonelina tao Moramanga, afakomaly. Niparitaka tamin’ ny toerana samihafa ireo ampahany tamin’ny razana. Nifanelanelana tokony ho 10 metatra ny nahitana ny lohany sy ny tsinay. Hita tany amin’ny 15 metatra ny tanàna.
Lehilahy telo mirongo fitaovam-piadiana, niditra an-keriny tao an-tranon’olona iray ao Ambahita, fokontany sady kaominina Ilakaka distrikan’Ihosy, ny 04 septembra 2026 tamin’ny 11 ora alina. Nalain’izy ireo an-keriny ny zazalahy 8 taona. Nanao ny fanarahan-dia ny mpitandro filaminana, nifanehatra tamin’ireo telo lahy mpaka an-
keriny, tamin’ny 02 ora maraina. Vaky nandositra ireo jio­lahy ary avotra soa aman-tsara ilay zazalahy.

Partager sur: