Nitarika ny lanonam-panokafana ny hetsika “Festival du citron”, tany Manandriana ny filohan’ny Fanavaozana, ny Kly Randrianirina Michaël, mivady. Nambarany fa fotoana hitsarana azy sy ny fitondrana tarihiny izao.
“Fotoana itsaran’ny vahoaka ny mpitondra izao”. Io ny kabarin’ ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fanombohana ny “Festival du citron”, tany Manandriana, Amoron’i Mania, ny faran’ny herinandro teo. Izy filoha no tsaraina voalohany.
Nisy ny lalana 8 km, Manandriana-Manankona, mampitaraina vahoaka, ka nangataham-panazavana tamin’ny talem-paritry ny asa vaventy any an-toerana. Tsy mandoa vola ny fanjakana rehefa tsy vita tsara na ela ny lalana. Sao raisina na vita ratsy aza… Hotsarain’ny vahoaka ny mpiasam-panjakana amin’ny fanaraha-maso ny asa. Nanolotra 100 tapitrisa Ar hanamboaran-dalana amin’ny kaominina 12 eo anivon’ny distrika izy. Samy manara-maso ny rehetra… Tsy mankasitraka ny asa atao tandrametaka sy ny fanodinkodinana volam-panjakana ny filoha. “Mifankatiava isika Malagasy tsy hosaratsarahinay mpanao politika. Mitambara hampandroso ny disitrikan’i Manandriana sy ny kaominina 12”, hoy izy.
Mamokatra voasarimakirana i Manandriana, saingy manana olana amin’ny famoahana sy fivarotana ary fanodinana. Efa misy ozinina “One District One factory” (Odof) any an-toerana, saingy misy olana amin’ny fitaovana fitehirizana sy ny pitsopitsony ara-taratasy. Vahaolana ny fitadiavana lalam-barotra, ny fandefasana teknisianina hijery ny ozinina…
Nanolotra vola 50 tapitrisa Ar ho nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ny vahoaka izy, ary 3 tapitrisa Ar ho an’ny raiamandreny nanao sokela fampirisahana ny tanora hanandratra izany. Teo koa ny fitaovana ho an’ny vahoaka toy ny zezika 5 t, bisiliketa 50, vary 26 t, menaka, savony, bosodofotsy, milina fanjairana, “bequilles” sy “fauteuils roulants” ho an’ny olona manana fahasembanana, “groupe électrogènes” roa…
R. Nd.




