« Tamberina »: nifamaly fitia i Nono sy ny mpijery

Iray amin’ireo fampisehoana rindrankira an-tsehatra nanjakan’ny hafanana ny « Tamberina » tetsy amin’ny CCEsca Antanimena. Nifamaly fitia i Nono sy ireo mpijery tonga marobe.

Araka ny lohateniny tokoa ny endrin-tseho notanterahina tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly. « Tamberina », fotoana nisongadinan’ireo hira nahafanta­rana sy nampalaza an’i Nono. Nahitana ny fifamaliana fitia teo amin’ity mpanakanto ity sy ny mpijery tonga marobe teny an-toerana. Nanakoako ny efitrano iray manontolo. Nohi­rain’i Nono ny « Hoy ianao », « Io fitiavana io ihany », « Ia­lahy », « Mitomany », « Soga kely », « Eo anatrehan’An­dri­amanitra », « Hira iray », sns. Nihira amin’ny fony ny mpi­jery. Nangataka famerenana hatrany izy ireo. Endrika faharoan’ny « Tamberina » sy ny fifamalian’ny fitia eo amin’ny mpijery sy i Nono, omaly.
Iny fampisehoana « Tam­be­rina » iny ihany koa no nahatarafana fa « andrarezin’ ny hira malagasy » i Nono. Na, efa ho 10 taona aza no tsy nanaovany seho an-tsehatra teto an-tanindrazana. Tsy ha­dinon’ny mpitia zavakanto ny sanganasany. Ireo fihetsika fanaony eny an-tsehatra, sns. Tsy niala lavitra tamin’ny fandrindrana nahafantarana sy nahaizan’ny mpijery azy ireo, rahateo, ny nitendren-dRa­jaona Clarck, Rado Andriama­nantena, Cheryl Mathieu, Joosia Kennedy Randriama­lanjaona ary i Baliaka Andria­narivoson, ny zavamaneno. Tahaka izany koa ny sakso­fôna notsofin’i Nono.
Marihina fa ny 11 septambra, amin’ny 7 ora hariva ao amin’ny Havoria Anosy no hanatanterahin’i Nono ny seho faharoa eto an-dReni­vohitra.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: