Raharaham-bahiny: diniky ny samy Malagasy ny fanavaozana ny diplaomasia

Tsy mijanona ho mpijery fotsiny i Madagasikara manoloana ireo fiovana maneran-tany amin’izao, araka ny ka­barin’ny minisitry ny Raha­raham-bahiny, i Alice N’Diaye, nanomboka ny fihaonambe nasionaly momba ny diplaomasia karakarain’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, teny Anosy, omaly. Fiovana miavaka amin’ny fifandanjana ara-jeopolitika izany. Eo koa ny fitomboan’ny fanamby eo amin’ny lafiny toetr’andro, angovo sy niomerika ary ny fitomboan’ny lanjany stratejikan’ny ranomasimbe Indiani­na. Tanjona ny handinihina miaraka ny lalan-kizoran’ny diplaomasia malagasy amin’ny hoavy. Koa niantso ny hisian’ny diplaomasia malagasy miorina amin’ny maha izy azy sy ny fiandrianam-pirenena izy. Mifototra amin’ny soatoavina fihavanana sy firaisankina ary ny fandraisan’ny Malagasy monina any ivelany anjara mavitrika kokoa izany. Ho fototry ny fanomanana ny antontan-taratasy stratejika momba ny politika ivelan’i Madagasikara amin’ny hoavy.
Dinihina àry ny vina stratejikan’i Madagasikara sy ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Eo koa ny amin’ny diplaomasia ara-toekarena sy ny fampandrosoana maharitra ary ny fisarihana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izay hatao anio. Ny diplaomasia eo amin’ny sehatra ifotony amin’ireo Malagasy monina any ivelany sy kolontsaina aman-tsiansa ary ny fanitarana ny fifandraisana iraisam-pirenena, ny rahampitso. Ny fiandrianam-pirenena sy fiarovana nasionaly ary ny fitantanana iraisam-pirenena, amin’ny 10 septambra. Ny fanavaozana ny diplaomasia malagasy manoloana ny jeopolitika maneran-tany, ny
amin’ny 11 septambra. Diniky ny samy Malagasy ho amin’ny fanavaozana ny diplaomasia no atao fa tsy idiran’ireo masiovoho vahiny, araka ny fanazavana azo.

R. Nd.

Partager sur: