Hifarana anio ny dinika politika eny an-dapa. Mivoitra amin’ny ady hevitra ny lalam-pifidianana aloha vao latsa-bato. Tsy marisika amin’ny fifidianana ny mpiantsehatra fa mitady ny fomba hisian’ny kianja madio. Samy vonona tsy misy tahotra ny rehetra fa miahiahy fotsiny sao misy ny ankamely sy ady ampitaka. Ny mpilalao efa vonona. Ny mpitsara efa miandry fotoana hitsofana kiririoka fotsiny. Na hanomboka na mbola miandriandry, samy amin’ny toerany ny rehetra.
Porofo iray manamarika izany ny fahatongavan’ireo mpanaramaso vahiny. Tena tsy miala isan’andro izy ireo. Mandany fotoana mijery ny zava-misy eto Madagasikara. Ny mahavelombolo, manana fijery miiabo ny vazaha. Resy lahatra amin’ny ezaka ry zareo. Matoky amin’ny fahavononana asehon’ny Malagasy. Mahatoky ny fivoaran’ny fiomanana ny mpiantsehatra. Tsy mametraka ahiahy raha vao ny Malagasy.
Raha zohina akaiky ny zava-drehetra, tsy misy manana tombontsoa amin’ny fitarozahan’ny fifidianana. Lalan-tokana ivoahana amin’ny tetezamita izany. Mitondra amin’ny filaminana maharitra eto amin’ny firenena. Milaza ny mpiombon’antoka teknika sy ara-bola fa mitazona ny teny nataony aloha ny Malagasy. Miezaka izy ireo manao ny fomba hanajana ny teny nifanomezana. Manatanteraka ny toky izay natao.
Raha fehezina ny zava-misy, milaza ny hery velona rehetra, fa tsy voatery ho hamehana sy maika ny fifidianana. Tsy azo ihodivirana anefa izany satria isika Malagasy ihany no nilokaloka tamin’ny zava-drehetra. Nanao ny fomba ahafahana mamita fifidianana. Fanambin’ny fanavaozana izay, hoy ny filoha, Randrianirina Michaël. Mazava tsy misy hitsipaka ny tenany. Tsy maintsy manatanteraka mba tsy hamita-tena..
r.r




