Tsy nanao resaka ambadika zary fosa ny Federation sport-boule malagasy (FSBM) sy ny klioba UBMT momba ny olana iainan’ny tsipy kanetibe, ankehitriny. Nifanatrika sy nifanazava. Takin’ny UBMT sy ireo filohana klioba ary ireo Malagasy mipetraka any ivelany ny hanalana ny mpandrindra iraisam-pirenena.
Manoloana ny savorovoro eo amin’ny tontolon’ny tsipy kanetibe, miteraka fanehoan-kevitra etsy sy eroa, tsy eto Madagasikara ihany fa hatrany ivelany, nivory nampahafantatra momba izany, ny sabotsy lasa teo, teny Tsiadana, ny Féderation sport-boule malagasy (FSBM). Nanatrika izany ireo filohan’ny ligy sasany sy mpitantana klioba. Hevi-dehibe dimy no nitondran’ny filohan’ny FSBM, Andrianirina Adrien, fanazavana. Ny rafitra misy ny federasionina izay eo ambany fiahian’ny minisitera, ny fandraisana anjaran’ireo mpilalao tamin’ireo fifaninanana iraisam-pirenena izay nisy fitomboana. Eo koa ny fifindrana klioba any ivelany ka voaresaka manokana ny an’i Tianakely izay nahatonga resa-be. Novalian’Andrianirina Adrien mahitsy fa tsy manana fahavalo ary tsy miady amin’iza na iza ny federasionina. Ary farany ny amin’ny tokony hampiharana ny lalàna, araka ny andininy faha-19 sy 20 ao anatin’ny sata mifehy ny FSBM. “Na maro aza ireo nandika lalàna, tsy mbola nanasazy na mpilalao na mpitantana na klioba ny federasionina”, hoy izy.
Tetsy an-kilany, nitondra ny fomba fijeriny Ratsimbaharison Luc, filohan’ny UBMT. “Marary ny tsipy kanetibe fa tsy hoe ady seza akory na politika. Tsy manana zavatra afenina izahay fa mahita kosa fa maro loatra ny zavatra tsy mety ka angatahana fanazavana amin’ireo tsy mangarahara”, hoy Ratsimbaharison Luc. Tondroiny manokana ho fototry ny olana ka hangatahiny sy ireo Malagasy mipetraka any ivelany ho soloina ny mpandrindra iraisam-pirenena. Manome herinandro ny federasionina izy ireo handinihina izany, mialoha ny handraisana fepetra.
Tompondaka




