Taxi-be tra-doza tetsy Ambohidahy: olona roa namoy ny ainy, 7 hafa naratra voafaokan’ny fiara

Voalaza fa nisy olana teo amin’ny hisatra ny fiara zotra 186 iray rehefa tonga teo amin’ny tonelina Ambohidahy, omaly atoandro. Nahavoafaoka mpandeha an-tongotra miisa sivy izy io. Namoy ny ainy ny roa, maratra ny fito.

Namoa-doza, tetsy am­bany tonelina Ambohi­dahy, omaly, tokony ho tamin’ny 2 ora atoandro, ny fiara taxi-be zotra 186 iray. Raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena, nisy olana teo amin’ny hisatra ny fiara, antony nahatonga ny loza. Avy any Analakely, hi­hazo an’Anosy ilay fiara. « Nie­­zaka nanajanona ny fiara ny mpamily ary nadonany ta­min’ny sisin’ny tonelina izany, saingy nahafaoka mpa­ndeha an-tongotra maro tamin’ny ankavanan-dalany », hoy ny olona nanatri-maso ny zava-nitranga.
Vokany, olona sivy no voafaoka. Sivy naratra, nisy ny niady tamin’ny fahafatesana. Nentina haingana namonjy hopitaly ny naratra. Namoy ny ainy, rehefa tonga teny amin’ ny hopitaly HJRA Ampefiloha, ny olona roa. Efa nalefa nody ny iray tamin’ny naratra. Mbola manaraka fitsaboana eny
amin’ny hopitaly kosa ny enina ambiny, raha ny tatitra farany voaray, omaly.

Voatsindry tao ambany fiara
Anisan’ireo namoy ny ainy, tamin’izany, Ravaojanahary Jean Jacques, mpamonjy voina, kilasy faharoa ao amin’ ny Kaominina Antana­narivo Renivohitra. Taraiky sy mbola nosokirina tao am­banin’­ilay fiara izy. Tery tao ambanin’ny kodiarana ny lohany, nandritra ny loza. Raha ny fanazavana voaray, avy niasa izy. Han­deha ha­monjy fodiana eny Fenoa­rivo no izao niharan-doza izao. Namoy ny ainy ihany koa ny vehivavy 27 taona. Voadona mafy ny lo­hany. Nitarika azy tamin’ny fahafatesany izany. Vao handeha hiasa izy izao tra-doza izao. Etsy andaniny, tsy nisy nanam-po ny loza avokoa
ny fianakavian’ireo niharam-boina. Samy nilaza izy ireo fa tampoka loatra.

Hosintomina ny taratasy
Hosintomina ny taratasin’ ny kaoperativa sy ny an’ny mpamily izay nahavanon-doza, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Fitateram-baho­aka sy ny famantarana ny
toetr’andro, Andrianavalona Herizo. Nanentana ny tom­pona fiara sy ny mpamily izy mba hijery ny lafiny teknika sy mekanikan’ny fiara alohan’ny handehanana hiasa. Tanjona ny hisorohana ny loza tahaka izao. « Tokony tsy hitranga ny zavatra tahaka izao raha toa ka manara-maso ny fiarany avokoa ny rehetra », hoy ihany izy.
Marihina fa tonga nitsidika ireo niharam-boina teny amin’ ny hopitaly ny avy amin’ny fitondram-panjakana.

Mino

Partager sur: