Tanterahina ao amin’ny Carlton Anosy mandritra ny efatr’andro ny atrikasa momba ny famolavolana ny fenitra amin’ ny fahombiazan’ny fampiasana angovo kely indrindra na
« Minimum Energy Performance Standards » (MEPS). Hetsika izay tafiditra ao anatin’ny fanatanterahana ny Politika nasionaly momba ny kalitao (PNQ) sy ny Paikady nasionaly momba ny fenitra 2025–2027. Hasongadina ny fanamafisana ny fotodrafitrasa nasionaly momba ny kalitao ho iray amin’ireo fitaovana lehibe hanohanana ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara. Ho faritana ao anatin’izay ny fetra farany ambany amin’ny fahombiazan’ny fampiasana angovo takina amin’ireo fitaovana, indrindra ireo kojakoja an-tokantrano. Anisan’ireo fitaovana hametrahana fenitra mandritra ity atrikasa ity ny jiro (Lighting), vata fampangatsiahana (Réfrigérateurs) ary ny « climatiseurs ». Tanjona ny hahafahana manafatra sy mivarotra ary manamboatra azy ireo eto an-toerana. « Zava-dehibe ny fampifanarahana sy ny fandraisana ireo fenitra iraisam-pirenena mba hamaliana ny filana ankehitriny sy hiomanana amin’ny hoavin’ny firenena », hoy ny talen’ny Fifaninana sy ny fandrindrana ny tsena eo anivon’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, Zafimihary Rufin.
Henintsoa




