Hanaovana andrana ny godirao any Bemolanga. Hanombohana azy ny ao an-tampon-tanàn’i Morafenobe, ka godirao milanja 300 taonina ho hararaka amin’ny lalana mirefy 400 metatra amin’ny 1,2 km. Hanomboka koa ny fanarenana ny lalana ao an-tampon-tanànan’i Maintirano, tafiditra ao anatin’ny fanamboarana ny lalam-pirenena RN1bis, mampitohy an’i Tsiroanomandidy sy Maintirano, tanterahin’ny Jenia Miramila.
Niverina namokatra ny orinasa QMM nanomboka ny 7 septambra teo. Tanteraka izany vokatry ny ezaka nataon’ny manampahefana nasionaly sy ao an-toerana, nahazoana antoka fa afaka miverina ny famokaran’ny orinasa. Tsiahivina fa nisy ny sakana nataon’ ny andian’olona tamin’ny herinandro lasa teo. Mitohy ny fifampidinihan’ny orinasa miaraka amin’ny mpiara-monina, ny manampahefana nasionaly sy eo an-toerana, hahitana vahaolana maharitra.
Mbola misy ireo fiara mpitatitra maka sy mameno mpandeha ivelan’ny toby fiantsonana, tsy eny amin’ny Fasankarana. Nahita izany teny Anosy, omaly, tamin’ny 4 ora sy sasany maraina, ny Fitantanam-
paritry ny fitaterana (DGTT), ny ATT ary ny DRTM Analamanga. Nampahatsiahivina fa tsy maintsy ao anatin’ ny toby fiantsonana ara-dalàna ihany ny fakana sy ny famenoana ary ny fampidinana ny mpandeha.




