“Alahadin’ny firaisankina”: nahomby ny tolotra fitarafana maimaimpoana

Fahombiazana ny “Alahadin’ny firaisankina” nokaraka­rain’ny Institut médical de Madagascar (IMM), raha ny tom­bana avy amin’izy ireo. Santatra am-bavarano ny hetsika. Ankizy 25 no nisitraka fitarafana (échographie) maimaim­poana hahafahana manohy fitsaboana sy hahitana ny tena fototry ny aretina.
Niaraka tamin’ny taratasy mazava avy amin’ny dokotera mpitsabo azy ireo ankizy ireo ka nahafahana nijery ny faritra mila fitsaboana ao amin’ny vatany. Rehefa natao ny tombana dia ny “échographie cervical”, “échographie inguino-scrotale” ary “échographie abdomino-pelvienne” no tena nilain’ireo ankizy mila fitsaboana.
Nifarimbona ny ekipan’ny IMM nandray ireo zaza sy ny fianakaviana ary nanamora ny fiatrehan’izy ireo izany tolotra maimaimpoana izany.
Nilamina ny hetsika voalohany ary nahitana fahombiazana raha ny jery todika nataon’ny tomponandraikitra. Nahafahana nihaino sy nifampizara torohevitra tamin’ireo ray aman-dreny nitondra ny zanany teny an-toerana koa iny hetsika iny. Nampifanakaiky sy nampisy fifampitokisana teo amin’ny fianakavian’ny marary sy ireo mpiasan’ny fahasalamana, nahi­tana dokotera sy paramedy ary mpikarakara marary ao amin’ ny IMM. Naniry ny hitohizan’ny tolotra maimaimpoana toy izao ny ray aman-dreny manana zaza mila fitarafana.

Tatiana A

Partager sur: