Mbola miteraka horohoro eo amin’ny rehetra ny fahaverezana olona sy vono olona niseho nandritra ny fotoam-pialantsasatra ireny. Na ankizy na tanora na olon-dehibe, samy lasibatra avokoa.
Amin’izao fidiran’ny mpianatra izao, manamafy ny fanaraha-maso ny mpianatra na ny ray aman-dreny na ny sekoly, ho an’ny fandriampahaleman’ ny zaza sy ny ankizy. Ankoatra ireo fepetra hentitra amin’ ny fakana sy fanaterana mpianatra, ny fiambenana ny vavahady… dia nametraka « Caméra » mihitsy ny ankamaroan’ny sekoly.
Manomboka eny amin’ny vavahady sy ao anatin’ny tokotanin-tsekoly, hatreny amin’ ny elakelan-trano hiadidian’ny sekoly, nametrahana izany avokoa, ho an’ny sasany. Nandray mpiasa vaovao mihitsy, nokaramaina manokana hanara-maso ny zava-misy amin’ny alalan’ny Caméra, ho fampitomboana ny fahamailoana izy ireo.
Ny sekoly sasany indray, manaraka ny fivoaran’ny teknolojia ary nametraka ny tambajotra ifaneraseran’ny ray aman-dreny amin’ny mpiandraikitra ny sekoly mahakasika ny fanaraha-maso manokana ny ankizy hatramin’ny fahatongavany ao an-tsekoly sy ny fiaingany mba hampisy ny mangarahara sy fifampitokisana eo amin’ny fitaizana ny zaza sy ny ankizy.
Tatiana A




