Mbola eo am-piandrasana ny lisitry ny mpilalao hanatevina ny ekipam-pirenena Barean’i Madagasikara, mandritra ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana “Can 2027”, ny mpankafy baolina kitra. Misy mpilalao vaovao telo anatin’izany.
Raha tsy misy ny fiovana, hisy mpilalao telo vaovao nantsoin’ny mpanazatra Corentin Martins, hanatevina ny Barea mandritra ny andro voalohany sy faharoa amin’ny fifanintsanana “Can 2027”, araka ny nambaran’ny loharanom-baovao iray, omaly. Hatreto, ny mpanazatra ny Barea, Corentin Martins, irery ihany no afaka milaza sy manambara ny anaran’ireo mpilalao vaovao telo ireo.
Tsara ny mampahatsiahy fa misy mpilalao avy eto an-toerana telo efa nahazo taratasy fampiantsoana mialoha na “pré-convocation”, toa an-dry Rado Be sy Bono ary i Andy, mpilalaon’ny Disciples FC Vakinankaratra. Marihina fa efa nantsoin’ity teknisianina frantsay ity nandritra ny lalao ara-pirahalahiana izay nihaonan’ny Barean’i Madagasikara tamin’ny Lion de l’Atlas Maroc, ny volana jona lasa teo, izy telo mirahalahy ireto.
Afaka 15 andro
15 andro eo sisa, izany hoe, ny 25 septambra ho avy izao, hifandona amin’i Nigeria i Madagasikara, ao amin’ny Kianjan’ny Godswill Akpabio International Stadium Uyo Nigeria. Ny 29 septambra ho avy io kosa, ao amin’ny Stade d’Honneur de Meknès Maroc, hifanandrina amin’ny Tanzanie ny Malagasy. Tsy maintsy mitady fandresena mandritra ireo fihaonana roa ireo ny
ekipam-pirenena malagasy, satria ekipa iray ihany no tafita mivantana any amin’ny Can 2027 anatin’ity vondrona “L” ity. Efa miakatra hoazy mantsy, i Tanzania, noho izy anisan’ireo mpampiantrano ny fifaninanana.
Fitia Randria




