Fivarotana zava-mahadomelina: nizerianina iray nahatrarana “héroïne” 400g

Teratany vahiny faha-19 voasambotry ny zandarimariam-pirenena tao anatin’ny valo volana ity nizerianina tratra niaraka tamina “héroïne” 400g ity.

Niakatra fampanoavana omaly ilay teratany nizerianina voasambotra teny Ambohimirary ny alahady teo. Tratra teny amin’ity teratany vahiny ity ireo “héroïne” milanja 400 grama. Saika hivarotra izany izy ary hanaparitaka ity zava-mahadomelina mahery vaika ity eto an-drenivohitra. Etsy ankilany, nisy nahatsikaritra ny teti-dratsiny ka nampandrenesina ny zandary. Nisokatra nana­raka izay ny famotorana. Fantatra fa namana teratany afrikanina iray efa voasambotra izy. “Efa migadra eny Tsiafahy tamina trafikana rongony mahery vaika koa io namany io”, hoy ny zandary avy ao amin’ny kaompania Antananarivo renivohitra misahana ny famotorana. Tsy ara-dalàna ihany koa ny taratasy hipetrahan’ity lehilahy nizerianina ity eto Madagasikara. Lany daty tamin’ny fiando­han’ity volana febroary ity ny “visa”-ny. Ankoatra izay, niatrika ireo mpitsara mpanao famotorana omaly koa ilay lehilahy tratra teny Ampa­sapito. Voasambotra teny amin’ny fihantsonan’ny taksiborosy teny an-toerana izy. Ary mbola nahitana “métamphétamine” milanja 0,5g. “Efa na­raha-maso hatry ny ela ity lehilahy ity”, hoy ny polisy. Mivarotra rongony mahery vaika sady mpifoka izy. Vo­kany, tra-tehaka ny tenany ka natao fanadihadiana avy hatrany. Fantatra tamin’izay fa amidiny 240.000Ar ireo zava-mahadomelina ireo raha toa ka 200.000Ar kosa no andraisany izany. Niaiky ny heloka vitany ralehilahy ka natolotra ny fampanoavana.

Henintsoa Hani

Partager sur: