Lozam-pifamoivoizana eto an-drenivohitra: mila mitandrina amin’ny bisikileta sy ny moto

Voalazan’ny mpamily fa niala bisikileta no nahafatesana olona efatra, teny amin’ny tonelina Ambohidahy, afakomaly. Nifandona tamin’ny moto ihany koa ny bisikileta nipoitra tampoka teny Soavimasoandro. Mila mitandrina ny mpampiasa lalana.

Nitondra ny heviny, tamin’ ny alalan’ny vadiny, ilay mpamily taxi-be tra-doza tetsy amin’ny tonelina Ambohi­dahy, afakomaly. « Niala bisikileta tampoka no sady ohatra ny nisy aloka tampoka nandalo teo aminy, ka izay no heveriny ho nahatonga ny loza », hoy i Nomena. Nanamafy izany ihany koa ny mpandeha sasany sy ireo olona nanatri-maso, tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera.
Ny valin’ny fanadihadiana savaranonando nataon’ny polisy koa dia nahatsikaritra fa tsy nisy olana mekanika na teknika ny fiara, araka ny fifampizaran’ny loharanom-baovao. Na izany aza dia nandeha mafy ihany ilay mpamily ka tsy nahavoafehy ny familiana, niteraka ny loza. Marihina fa resaka fahatapahan’ny hisatra ny antony nambaran’ny polisy vantany vao niseho ny voina.

Niampy roa
Niampy roa ny olona namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny tonelina Ambohidahy, afakomaly. Tafakatra efatra izany no maty. Vehivavy lehibe 75 sy 60 taona izy ireo. Niala nenina, namelona azy ireo ny mpitsabo saingy tsy avotra intsony. Efa nalain’ny fianakaviany, omaly, teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly ny razana.
Ankoatra ny olona efatra maty, misy olona roa hafa mbola naiditra “bloc” ao amin’ ny fitrano famelomana aina, omaly hariva, hoy ny fanazavana voaray avy amin’ny tomponandraikitry ny hopitaly HJRA Ampefiloha. “Mbola misy olona iray hafa koa so­mary atahorana ny ainy, ankoatra ireto marary roa homena vonjy aina maika ireto”, raha ny fanazavana voaray.
Efa niatrika famelomana aina maromaro izy. Manao izay ho afany, mbola anaty fitsaboana azy ireo tanteraka ny mpitsabo.

Mbola bisikileta
Mpitondra bisikileta iray no voafaokan’ny moto tetsy amin’ ny lalam-baovao Tsarasaotra, omaly maraina. Voalaza fa nanapaka tampoka ilay bisikileta nefa tsy nijery ny tany an-kavanany. Naratra mafy izy ary efa nentina nihazo ny hopitaly.
Manoloana izany, mila samy mitandrina ny mpampiasa lalana. Ilaina ny fanentanana manokana ny mpamily amin’ny sokajim-pitaterana rehetra. Indrindra ny bisikileta sy moto, izay tsy mahay na tsy mahafehy ny lalana mifehy ny fifamoivoizana.

Mino

Partager sur: