Halatra moto: telo lahy naiditra am-ponja

Nanao sakan-dalana amin’ny alina teny amin’ny fokontany Vahilava, distrikan’Atsimondrano ny polisy, saron’izy ireo, ny telo lahy nitaingina moto iray, ny alin’ny alatsinainy 7 septambra lasa teo. Nahatazan-davitra an’ireo mpitandro filaminana nanao ny asany, nandositra avy hatrany izy telo lahy. Nariany teo afovoan-dalana ny moto scooter marika Yamaha. Nanara-dia ny polisy vantany nahatazana ny fihetsika nampiahiahy nasehon’ireo olona miisa telo. Voasambotra ny iray ka niroso tamin’ny fisavana azy ny manam-pahefana. Naha­trarana fitaovana fampiasa mamaky trano toy ny antsy sy fanapahana vy matevina teny aminy. Nitohy ny fikarohana. Sarona ireo roa lahy hafa naman’ity mpanao asa ratsy ity. Voamarina fa moto halatra ilay nentin’izy telo lahy. Nanao fitoriana momba ny fahaverezan’io fananany io ny tompony ka naverina tamin’ity farany izany. Tetsy ankilany, natao fanadihadiana, natolotra fampanoavana izy telo lahy ary naiditra am-ponja.

Tsiferana R.

Partager sur: