Olona roa naratra nandritra ny lozam-pifamoivoizana tamin’ny moto teny Andranomena, omaly. Voafaokan’ny fiara tsy mataho-dalana iray ny moto notaingenan’ireo roa lahy. Tsy nisy aina nafoy. Potika tanteraka ny lohan’ilay moto scooter tra-doza.
Taksiborosy hihazo an’i Mananjary tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito tsy lavitra an’ Ambohimahasoa, omaly maraina. Nifatratra tanaty tanimbary ny fiara. Tsy nisy aina nafoy nandritra ny loza. Nalefa nanaraka fitsaboana ireo naratra.
Naratra mafy vokatry ny daroka nataon’ny fokonolona ireo roa lahy nikasa hangala-jaza tao Ambalafeno, fokontany Mahatsinjo Mampihavana, kaominina Faratsiho, afakomaly. Nampiresahan’izy roa lahy ilay zaza mpiandry omby kanjo tsikaritry ny manodidina ka niafara tamin’ny fitsaram-bahoaka.




