Naiditra am-ponja ny olona fito, voalaza fa nikasa ny handoro ny fonjaben’i Tsiafahy. ”Mbola saika hampandositra ny kolonely Rakotomamonjy Patrick koa izy ireo”, hoy ny mpampanoa lalàna , Rakotoniaina Narindra Navalona, omaly.
Nisy saika handoro ny fonjaben’i Tsiafahy, ny alahady 23 aogositra lasa teo. Voarohirohy tamin’izany ny olona fito ka dokotera ny iray. Niakatra teny amin’ny fampanoavana, ao amin’ny tribonaly ambaratonga voalohany, Anosy izy ireo, ny 8 septambra. Taorian’ny fihainoan’ny mpitsara, naiditra am-ponja vonjimaika ny dokotera iray.
Nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna, Rakotoniaina Narindra Navalona, omaly, fa nikasa ny hampandositra ny kolonely Rakotomamonjy Patrick, izay voafonja eny an-toerana, izy ireo. Nisy ny fanadihadiana lalina. Nosavaina ny trano sy ny fitaovan-tseraseran’izy ireo. Nivoaka ny loham-piampangana: fikasana handoro ny fonja, fikasana hampandositra voafonja, fidirana anaty fikambanan-jiolahy ary firaisana tsikombakomba.
Finday
Nahavaky ambatolampy ny raharaha ny fahatrarana finday iray tao anatin’ny entan’ny kolonely Rakotomamonjy Patrick, teny am-ponja. Nisy hafatra miafina sy horonam-peo nifampiresahiny tamin’ny olona maromaro tao anatin’izany. “Araka ny fifampiresahana voaraikitra tao, fomba iray ampitsoahana ny kolonely ny fonja ny fikasana handoro sy hanapoaka ny fonja. Anisan’ny nikononkonina tamin’ny fanatanterahana izany ny vehivavy mipetraka any ivelan’i Madagasikara. Ity farany no nitady vola 19 960 000 Ariary hanantanterahana ny teti-dratsy”, hoy ny fampanoavana.
Anisan’ny naiditra am-ponja ny dokotera iray. “Nanao hosoka sy namadika valina fitiliana natao tamin’ny kolonely Patrick izy. Nampirisika ny kolonely ity farany mba hihinana siramamy betsaka alohan’ny fakana ra azy. Tanjona ny hanovana sy hampikorontana ny vokatry ny fitiliana natao”, hoy hatrany ny fampanoavana.
« Anisan’ny manohintohina ny fandriampahaleman’ny fonja sy ny fiarahamonina ny fikasana handoro na hamaky ny fonja », hoy ny Inspecteur principal, Ranaivoson Olivier, talem-paritry ny fandraharahana ny fonja Analamanga. Nambarany fa ny fahatrarana fitaovana izay tsy tokony hiditra any amin’ny fonja dia mahatonga ny voafonja iray ho tratran’ny sazy. Marihina fa mbola misy olona voarohirohy amin’ity raharaha ity. Efa mikaroka azy ireo ny manam-pahefana.
Mino




