Niakatra fampanoavana tao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, notanana am-ponja ireo telo lahy nahatrarana rongony mahery vaika cocaïne tao Sambava. Manoloana ny fiparitahan’ny zava-mahadomelina, naharay loharanom-baovao momba ny fisiana olona mivarotra ity karazan-drongony ity ny mpitandro filaminana. Voasambotra ireo olona miisa telo voarohirohy, ny alatsinainy 7 septambra lasa teo. Natao ny fisavana, nahatrarana fonosana rongony cocaïne milanja 2,5 grama teny amin’izy telo lahy. Vola mitetina 80 tapitrisa Ar azon’izy ireo tamin’ny alalan’ny famarotana io rongony mahery vaika io nogiazana. Manoloana ity tranga ity, tambajotra matanjaka no miara-miasa nanaparitaka io karazan-java-mahadomelina io, hoy ny zandary. Mitohy ny fanadihadiana ataon’izy ireo hisamborana ireo tena atidoha. Marihina fa tovolahy iray fanta-daza amin’ny tambajotran-tserasera ny iray tamin’ireo telo lahy notanana vonjimaika any am-ponja ireo.
Tsiferana R.




