Fantina sy fintina

Hiatrika ny fihaonana an-tampony eo amin’i Rosia sy i Afrika ny filoham-panjakana, ny Kly Ran­drianirina Michaël, raha tsy misy ny fiovana. Hotan­terahina ny 28 sy ny 29 septambra ho avy izao izany. Hodinihina amin’izany ny fiaraha-miasa eo amin’i Rosia sy i Afrika. Ao anatin’izany ny varotra sy ny fampiasam-bola ary ireo tetikasa vaovao.
Hitohy eto Antananarivo, eny Itaosy, ny kongresim-paritry ny HVM, rahampitso. Tafiditra amin’ny fameloma-maso ny antoko izany, sady hiresahana ny toe-draharaham-pirenena amin’izao fotoana izao ihany koa. Tsiahiviana fa efa vita herinandro vitsy ny kongresim-paritra tany Toamasina, eo anivon’ity antoko ity.
Ilaina ny fametrahana filoham-pokontany miainga amin’ny safidim-bahoaka raha hitondra fanovana sy fiovana miainga eny ifotony, araka ny namba­ran’ny depiote, Rajerison Antoine tany Ambatomanga, Arivonimamo, omaly. Nanteriny fa anisan’ny foto-kevitra nitsanganan’ny antoko Fivoi izany.
Hanangana ny Tranoben’ny kolontsaina eto Madagasikara i Rosia. Hatao ivontoerana ho an’ny kolontsaina rosianina izany. Anisan’ireo firenena valo aty Afrika hananganana izany ny eto amintsika, mia­raka amin’ny Repoblika Demoktarikan’i Congo (RDC) sy i Sénégal, Togo, Mali, Kenya, Sao Tomé-et-Principe ary ny any Sierra Leone.

Partager sur: