Pr Rajaonson Hugues: « Mety hampitombo ny hosoka ny hetra be loatra »

Maneho hevitra ny mpahay sady mpampianatra toekarena, ny Pr Rajaonson Hugues, manodidina ny hetra eto Madagasikara. Mila tohanan’ny fanjakana ny fiforonan’ny orinasa madinika sy salantsalany.

Ho an’ny profesora Raja­onson Hugues, aleo mampitombo ny fototry ny hetra toy izay mampitombo ny vesatry ny hetra. Mety ham­pitombo ny hosoka ary manakana ny fampiasam-bolan’ny orinasa madinika sy salan­tsalany (PME) izy io raha be loatra. Tsy voatery hampitombo ny vola miditra amin’ny fanjakana izany vesatra tafahoatra izany. Rehefa tafahoatra izany, miteraka vokatra mifanohitra amin’izay notadiavina. Hitady fomba hafa hialany amin’ny adidiny ny orinasa sy ny mpandoa hetra. Hana­fina na hampihena ny sanda ara-ketra ambara izy ireo. Hany ka hanjaka ny kolikoly, indrindra ho an’ny rafitra mpanara-maso sy ny mpanangona hetra. Na tsy atao fanahy iniana aza ireo endrika fanodinkodinana ireo dia mety ho famantarana fa mavesatra loatra ny hetra entin’ny orinasa.
Nohamafisiny fa hanakivy ny mpandraharaha, tsy hanara-dalàna ny orinasany, ny hetra mavesatra loatra. Hano­sika azy ireo hijanona amin’ny sehatra madinika tsy mandoa izany. Manosika ny orinasa tsy hampiasa vola, hanitatra ny ambaindain’ny fihariana, ny hetra mavesatra zakain’ny efa mpandoa mahazatra.

Tohanana ny orinasa madinika

Vahaolana aroson’ny Pr Rajaonson Hugues ny fampitomboana tsikelikely ny isan’ ny mpandoa hetra. Mila tohanana sy hamoraina ny fitomboan’ny orinasa madinika sy salantsalany (TPE, PME, PMI), satria mamorona asa bebe kokoa, mitombo koa ny fidiram-bolan’ny olona sady maharitra. Mitombo ho azy koa ny vola miditra amin’ny fanjakana. Noraisiny ho ohatra, raha mila 1 000 Ar ny fanjakana, tsy tokony ho takina amin’ny orinasa iray na roa fa zaraina amin’ny olona na orinasa miisa 1 000 dia samy mandoa 1 Ariary avy. Hihena ny vesatra zakain’ny tsirairay, ho mafy sy haharitra ny vola miditra amin’ny fanjakana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: