Foire internationale de l’agriculture (FIA): mampitombo ny sandam-bokatra eto an-toerana

Ambohipihaonan’ny mpamokatra, tantsaha, ny indostria, ny mpandraharaha ary ny mpampiasa vola ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny famokarana (FIA), andiany faha-8. Tsy afa-misaraka ny famokarana sy ny sakafo. An­tony hanatanterahana ny Fes­tival international de la Gas­tronomie (FIG) andiany faharoa, ihany koa. Na­nomboka omaly ary hitohy hatramin’ny alahady ny hetsika, izay atao eny amin’ny CCI Ivato. Miara-misalahy ny famokarana sy ny tsena. Antony hampirisihany ny mpandraharaha hanatsara ny vokatra sy ny tolotra ataony, hanavao sy hifanaraka ihany koa amin’ny filan’ny mpanjifa izany. « Vava­hady manokatra lalam-barotra ho an’ny tan­tsaha ny hetsika, noho izy mampivondrona ireo orinasa mpanangom-bokatra amina toerana iray », hoy ny tomponandraikitry ny seraseran’ny MadaVision, Andriana­solo Hery, nandritra ny fanokafana ny hetsika.
Rafitra ara-toekarena

Sehatra hifanakalozana sy hanomezan-danja ireo ezaka, haivao ary fampiasam-bola amin’ny famokarana maharitra sy ny fahaleovantena ara-tsakafo ny FIA. Rohy mampifandray ny fambolena sy ny haitao ara-tsakafo ny kalitaon’ ny vokatra. Hivoitra izany man­dritra ny efatra andro hanaovana ny hetsika. Fotoana ihany koa hanandratana ny vokatra eto an-toerana sy ny seha-pihariana malagasy. Kendrena ny hanamafy ny fifandraisan’ireo mpisehatra sy hampitombo ny sandan’ ireo vokatra eto an-toerana. Marihina fa maherin’ny 250 ny mpandray anjara. Hisy ny lohahevitra ho voaboasana mandritra ny efatra andro. Tanjona ny hisarihana mpitsidika maherin’ny 25 000.

Henintsoa

Partager sur: