Vaovao tambatra

Eny Amoronankona avokoa ny fiaingan’ny fiara mpitatitra rehetra, manomboka ny alarobia 16 septambra ho avy izao. Foana tanteraka, noho izany, ny fiaingana eny amin’ny Fasan’ny Karana. Voaka­sik’izany ireo mpampiasa ny RN2 sy ny RN7, afa-tsy ireo manana ny toby tsy miankina, manana alalana manokana, na ireo miantsinanana eny amin’ny Toby Maki. Hisy fiara mpitatitra manokana hihazo an’Amoro­nan­kona, sady hampitomboina ny isan’ny zotra an-dalamby, hanamorana ny fivezivezena.

Mampifandray ireo faritra lavitra sy mbola tsy voarakotra ny teknolojia “Direct-to-Device” (D2D). Mampihena ny elanelana ara-jeografika sy ara-niomerika izy. Nivoitra ireo nandritra ny fivoriambe iraisam-pirenena momba ny habakabaka natao tany Paris, ny 9-10 septambra. Hifototra amin’ny rafitra ara-dalàna sy ara-teknika mazava, manaraka ny fenitra iraisam-pirenena, i Madagasikara.

Hisantatra ny fampiasana ny Faharanitan-tsaina artifisialy (IA) ny Tahirimbolam-panjakana, eo anivon’ny minisiteran’ny Toekarena (MEF). Niofana mahakasika azy ny tomponandraikitra sy ny teknisia­nina, ny 8 septambra teo. Tanjona ny hahafahana mama­kafaka ny fomba fiasa, ny fifehezana ny fangatahana ampiasana ny IA, mba hialana amin’ny mety ho fahadisoan’ny valinteny omeny, sns.

Partager sur: