Toekarena manga: hanohana an’i Madagasikara ny FAO

Mikendry ny hampiroborobo ny jono sy ny sehatry ny toekarena manga i Mada­gasikara, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny FAO. Nihaona tamin’ny tale jeneralin’ny FAO ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Pr Maharavo Jean, nandritra ny andro fahatelo, fivorian’ny Cofi 37, natao tao Roma, Italia, ny 9 septambra teo. Nifantoka tamin’ireo laharam-pahamehana miisa efatra apetraky ny firenena ny fifanakalozan-kevitra, dia ny fampandrosoana ny jono madinika, ny fampamokarana maharitra ny atirano, ny fanamafisana ny rojom-pihariana ary ny fanatsarana ny fitantanana ny sehatry ny jono. Vonona hanohana an’i Mada­gasikara amin’ny fanatanterahana izany ny tale jeneralin’ny FAO. Hason­ga­dina ny fanamafisana ny sehatra mpamokatra sy ny rojom-pihariana mba hampitombo ny tombontsoa ara-toekarena ateraky ny ha­rena an-dranomasina. Ani­san’ireo fototra lehibe hananganana toekarena manga ma­homby sy maharitra ary manome asa ho an’ny mponina ny fanatsarana ny jono sy ny fampamokarana maharitra ny atirano. Tanjona ao anatin’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta ny hampiroborobo ny fitantanana ny harena an-dranomasina.

Henintsoa

Partager sur: