Fifaninanana afrikanina: tafakatra ny CFFA, raraka ny FC Rouge

Mbola manohy ny diany amin’ny fifaninanana afrikanina, « Ligue des champions Caf », ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy. Nangoron-damba kosa ny ekipan’ny FC Rouge tamin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf ho an’ireo klioba.

Tafakatra any amin’ny dingana manaraka amin’ ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika ho an’ireo klioba, « Ligue des champions Caf », ny ekipan’ny CFFA Andohara­nofotsy. Nanao ady sahala 1 no ho 1 tamin’ny Lijabatho FC Lesotho izy ireo nandritra ny fihaonana miverina natao ny asabotsy lasa teo, tany Afrika Atsimo. Tsiahivina fa efa la­von’ny Malagasy, 2 no ho 0, ny mpilalaon’i Lesotho, tany amin’ ny fihaonana mandroso. Re­hefa natambatra ny fihaonana roa izay nataon’ny roa tonta, mivoaka ho mpandresy, 3 no ho 1, ny solontenan’i Madaga­sikara. Raha hiverenana ny fihaonan-dry zareo, i Tendry no nampiditra ny baolina ho an’ny Malagasy, teo amin’ny minitra faha-50, fizaram-potoana faharoa. Efa tany amin’ny faha-88 min vao nahasahala ny baolina ny Lijabatho FC, ary nijanona tamin’io ady sahala io ny lalao.
Ny klioban’ny Young Afri­cans avy atsy Tanzania kosa no miandry ity solontenan’i Madagasikara ity eo amin’ny fihodinana manaraka.
Raraka ny FC Rouge …

“Nandalo niserana ihany…!” Nifarana hatreo kosa ny dian’ny FC Rouge tamin’ity “Cou­pe de la confédération Caf” ity. Mbola resin’ny Red Arrows Zambia, 2 no ho 0, indray ry zareo, omaly, tatsy Maurice. Ampahatsiahivina fa efa lavon’ny Zambianina tamin’io isa 2 no ho 0 io ihany ity tompon’ny amboara nasionaly ity, nandritra ny lalao mandroso. Ma­rihina fa tamin’ity vao nandray anjara tamin’ny fifanintsanana afrikanina ny FC Rouge.

Fitia Randria

Partager sur: