Banky iraisam-pirenena: vonona hamatsy vola ny tetikasa Volobe

Afaka mandray anjara amin’ny famatsiam-bola, anjara birikin’ny fanjakana amin’ny tetikasa Volobe, ny Banky iraisam-pirenena mba hampihena ny vidin’ny herinaratra. Iray tamin’
ireo dinika fifanakalozan-kevitra nisongadina tamin’ny tetikasa ny vidin’ny kWh. Ankilany, manana tanjaka hatrany amin’ny 150 MW i Volobe ka tanjona ny hampihena ny fahatapahan-jiro eto Antananarivo sy ny manodidina sy ny ao Toamasina. Anisan’ireo noresahin’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Michaël, nandritra ny diany tany Eoropa tamin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara ny momba ny fama­tsiam-bola sy ny vidin’ny herinaratra vokarin’ny tetikasa. Ankoatra izay, nisy ihany koa ny fifanarahana natao tamin’i Frantsa mba hanamorana ny fidirana amin’ny Tahiry maitso miaraka amin’ny Vondrona eoropeanina. Tanjona ny hisarihana mpampiasa vola hanohana ny tetikasa.

Henintsoa

Partager sur: