“Ny zava-dehibe dia ny hampisehoana fa fanjakana atokisana ary miasa no misy eto Madagasikara.” Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny fahatongavany teny Ivato, ny faran’ny herinandro teo, namintinany ny dian’ny delegasiona notarihiny tany Frantsa sy Belzika. Teo ny handoavana ny onitra 11 tapitrisa dolara noho ny fahapotehan’ny orinasa belza Polo Garments Majunga (PGM), potika tamin’ny krizy 2009. Tsy maintsy haloa izay hahazoana mandroso amin’ny fifandraisana amin’ireo firenena matanjaka.
“Miabo ho an’i Madagasikara avokoa ny fihaonana rehetra natao tany”, hoy izy. Ankoatra ny fanatrehana ny fihaonana an-tampony momba ny habakabaka, tany Frantsa, nifampiresahina ny tetikasa Volobe. Hamokatra herinaratra 150 MW izy io. Tena hitan’ny olona ny asa amin’ny famatsian-drano sy fanamboaran-dalana, fa eo amin’ny famatsian-jiro: manentsina ny lavaka fotsiny isika. Izay tsy mandeha fotsiny no natao tato ho ato… Fa izao, halefa ny tetikasa Volobe, hamaha manontolo ny olana amin’ny famatsiana herinatra eto Antananarivo sy ny manodidina ary ny any Toamasina izany. Ny olana kely dia ny fandraisana ny vidin’ny KW.
Voaresaka tamin’ny Banky iraisam-pirenena koa ny tetikasa Volobe ary afa-kanome vola ry zareo. Hanampiana ny anjaran’ny fanjakana hampihena izay fandraisam-bidy ny KW izay. Nifampiresahina tamin’ny filoha frantsay, i Emmanuel Macron, koa io. Mba hanampiany an’i Madagasikara eo anatrehan’ny Vondrona eoropeanina… Hahazoana vola amin’ny Tahiry maitso izany, hahazoan’ny fanjakana miroso amin’ny tetikasa Volobe. Hampihena ny vidin’ny KW…
R. Nd.




