Nifarana omaly, teny amin’ny CCI Ivato, nandritra ny efatr’andro ny andiany faha-8 amin’ny Tsenabe iraisam-pirenena momba ny famokarana (FIA) sy ny andiany faha-2 amin’ny « Festival international de la gastronomie » (FIG). Voaporofo fa manana ny tanjany amin’ny famokarana sy fanodinana i Madagasikara.
Ambohipihaonan’ny mpandraharaha, ny mpamokatra, ny mpanodina ary ny mpanjifa ny hetsika. Voaporofo tao anatin’ny efatra andro fa manana loharano sy fahaiza-manao i Madagasikara, hampitombo ny famokarana sy hanodina isaky ny sehatra ny vokatra eto an-toerana. «Mamokatra, manodina ary mapiroborobo» (Produire, transformer et développer) no lohahevitra nitondrana ny hetsika tamin’ity andiany 2026 ity. Nambaran’ny tale jeneraly lefitry ny Madavision, Rajaonarisoa Oranne, mpikarakara ny hetsika, fa «tsy ampy intsony ny mamokatra fotsiny. Ilaina koa ny manodina sy manasongadina ny vokatra mba hifanaraka amin’ny filan’ny mpanjifa eto an-toerana sy ny tsena iraisam-pirenena». Fitaovana ho an’ny mpandraharaha ihany koa ny FIA satria nahafahan’ny orinasa, kely sy lehibe, nifampiresaka sy niara-namolavola tetikasa vaovao.
Fahaiza-manao
Nanome vahana ny haify sy ny sakafo malagasy ihany koa ny FIG tamin’ny alalan’ny loko, fofona ary tsiro isan-karazany izay mampiseho fa fitaovana lehibe hanasongadinana ny vokatra eto an-toerana koa ny sakafo. Nanamafy Rajaonarisoa Oranne fa : «mbola maro ny asa atao mba hampandrosoana ny sehatry ny fambolena, ny fiompiana ary ny jono, mba hanana toerana bebe kokoa ny vokatra malagasy any ivelany». Ho fanohizana ny hetsika dia efa nampahafantarina ny «Salon international de l’habitat» (SIH). Hotanterahina ao amin’ ny CCI Ivato, manomboka ny 22 ka hatramin’ny 25 oktobra ho avy izao ihany koa izany.
Henintsoa




