Efa mikarakara ny fiverenany ho amin’ny marika Air Madagascar ny orinasa Madagascar Airlines. Vinavinaina ho tafapetraka manodidina ny faran’ny volana oktobra ny fiovana raha ny nambaran’ny tale jeneralin’ny Madagascar Airlines, Rabarilala Rado, ny faran’ny herinandro teo. Efa efa-bolana nitantanana ny orinasany mantsy ny tenany ka nilaza fa mandroso ny dingan’ny fanarenana ny orinasa, indrindra amin’ny alalan’ny fifampiraharahana momba ny trosa sy ny drafi-panovana ny kaompania. Nambarany fa efa nahatratra 100 tapitrisa dolara ny trosan’i Air Madagascar, izay mbola ao anatin’ny fanarenana ankehitriny. Nohamafisiny fa: «tsy fiovan’anarana fotsiny io fiovana ho Air Madagascar io fa fanovana lehibe manerana ny sehatra rehetra toy ny fitantanana, ny fandaminana, ny varotra ary ny ara-bola». Efa napetraka ny drafi-panarenana, mifantoka amin’ny fanatsarana ny fandaminana, ny fifandraisana amin’ny mpanjifa, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ary ny fifehezana ny fandaniana. “Manaporofo ny fanarenana ny orinasa ny fiverenan’ny sidina mankany Kaomoro. Eo ihany koa ny vina hisokafan’ny sidina mankany La Réunion, Chine, Bangkok ary Marseille», hoy hatrany ny fanazavany. Nanamafy ihany koa ny filohan’ny filankevi-pitantanana, Razafindralambo Didier Alban, ny fanoloran-tena amin’ny kalitaon’ny asa sy ny fangaraharana. Hisy fanazavana tsy tapaka avy amin’ny orinasa momba ny fandrosoan’io fiovana ho Air Madagascar io.
Henintsoa




