Trafika volamena: olona dimy voarohirohy

Mitohy ny fanadihadiana mahakasika ilay trafika volamena farany teo. Nandraisana fepetra ihany koa ilay mpiasan’ ny Ladoany nanao fihetsika tsy mendrika tamin’ny mpandeha, niparitaka tanaty tambajotra sosialy.

Nambaran’ny tale jeneralin’ny Haban-tseranana (DGD) malagasy, Ran­dri­anjafy Antoine, omaly, fa mitohy ny fanadihadiana ma­ha­kasika ny fikasana hamoaka volamena antsokosoko, milanja 5,75 kg tratra teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny alahady 13 septambra teo. Fantatra fa olona dimy no voarohirohy amin’ity raharaha ity, hatreto, ka misy amin’ireo no mpiasan’ny Ladoany.
Ankoatra izany, nisy ny fidinana ifotony nataon’ny tomponandraikitra isan-tsokajiny, raha vao nahare ny vaovao niely tanaty tambajotra sosialy. Voakasik’izany ilay mpiasan’ny Ladoany nanao fihetsika tsy mendrika teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, ny 8 septambra teo. Nilaza ny tale jeneraly fa natao ny fanadihadiana anatiny ary voamarina ny zava-nitranga. Nandraisana fepetra ilay mpiasan’ny Ladoany ao amin’ny borigady mitondra alika mpitsongo dia.
Manamafy ny Tale jeneraly fa hasaina ny mpandeha hitsidika ny torolalana momba ny Ladoany (Guide de passage en douane), hita ao anaty rohy http://www.douanes.gov. mg/particulier/guide-de-passage-en-douane/, mba hahafantarany bebe kokoa ny zony sy ny adidiny rehefa miampita sisintany. Ampirisihina ihany koa ny mpandeha rehetra hampandre sy hitoroka izay fihetsika tsy mendrika na ahiahy momba ny kolikoly amin’ny alalan’ny laharana maitso 360.

Lavanty

Manampy ireo, mitohy ny fanaovana lavanty ny entana efa lany fetr’andro ao amin’ny Haban-tseranana. Voakasik’­ izany ny magazay fitahirizan’­ entana any Mahajanga, ao amin’ny Comama, ny DCC ary ny Sems. Amin’ny alalan’ny valopy mihidy no hanoloran’ireo liana ny tolobidiny. Hita any amin’ny site web an’ny fitantanana ny Ladoany sady atao petadrindrina eny an-toerana ny lisitr’ireo entana hatao lavanty.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: