Karohina ny vadiny: vehivavy iray maty voatsatoka antsy

Maty voatsidron’antsy teo amin’ny fony ny renim-pianakaviana iray tany Analatsifaka Soanierana, omaly
maraina. Karohina fatratra, ahina ho tompon’antoka tamin’izao vono olona izao, ny vadiny. Naheno antso vonjy tao amin’ilay tokantrano ireo mponina nefa izy mivady irery no tao an-trano.

Renim-pianakaviana iray, 32 taona, indray no maty voatsatok’antsy tao an-tranony, tao Analatsi­faka Soanierana, disitrikan’i Tsiroanomandidy, omaly ma­raina. Nitsatoka teo amin’ny fony ny antsy ary nandrika na­nerana ny trano ny ra tamin’ny fotoana nahitan’ny mpiara-monina azy. Niezaka namonjy azy ireo mpiara-monina saingy namoy ny ainy fotoana fohy taorian’ny loza ity farany.
Naheno olona niantso vonjy tao amin’ilay tokantrano, minitra vitsy talohan’ny loza, ny mpiara-monina. Nihazaka­zaka namonjy sy nijery ny zava-niseho izy ireo vantany vao naheno izany. Tazan’ny fokonolona nitondra antsy teo an-tokotany ny raim-pianakaviana, izay vadin’ny namoy ny ainy, saingy, tsy nieritreritra sy niahiahy zavatra taminy ireo mponina. Niditra tao an-trano ireto farany kanjo ilay renim-pianakaviana efa nihoson-dra tao an-trano no hitan’izy ireo. Niezaka novonjena, nentina namonjy hopitaly ny naratra, saingy tsy tana ny ainy. Tsy nanam-potoana nanenjehana sy nisamborana ilay rangahy vadiny kosa izy ireo ka afa-nandositra ity farany.

Karohina fatratra

Tsy misy mahalala ny tena zava-nitranga ny mpiara-monina, raha ny fanazavana voaray avy any an-toerana. Ny hany fantatra dia izy mivady irery no tao an-trano tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Tsy tao an-trano ny zanak’izy ireo lahy, 12 taona, izay vao afaka fanadinana CEPE. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana, izay tonga teny an-toerana, namoahana filazana fikarohana io lehilahy vadin’ny maty io, amin’izao fotoana izao. Razanajatovo Nomenjanahary Joachin Sa­muel ny anarany feno. Ahina ho namono nahafaty ny vady andefimandriny tamin’ny alalan’ny tsindron’antsy izy, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny mpitandro filaminana.
Tsiahivina fa nahatratra telo ny tranga famonoana vady tahaka izao tamin’iny herinandro iny ka hatramin’izao. Marihina fa mpitrandraka volamena izy mivady ireo.

Mino

Partager sur: