Avo ny ambana mety hisian’ny afo, miloko volomboasary, ankehitriny, any amin’ny faritra Androy, Atsimo Andrefana, Melaky ary Menabe, araka ny vinavina nomen’ny minisiteran’ny Tontolo iainana. Ilaina mivonona ny rehetra amin’ny fandraisana fepetra mifandraika amin’izany. Somary ambonimbony kosa ny ambana, miloko mavo, any amin’ny ilany avaratra andrefana, afovoany atsimo, atsimo andrefana ary atsimo. Miloko maitso, tsy misy ahina loatra ny avaratra atsinanana sy ny afovoan’ny Nosy.
Vita ny fanarenana ireo toerana tena ratsy amin’ny lalam-paritra RIP 93, Analavory mankany Ifanja. Notontosaina ny zoma lasa teo ny fandraisana vonjimaika ny asa. Nojerena ihany koa ny fanamboarana ny fotodrafitrasa vaovao, fiampitana rano eo Anosibe Ifanja, tafiditra ao anatin’ny asa fanarenana ity lalana ity. Nanatanteraka ity fidinana ifotony ity ny ekipa teknika ao amin’ny minisiteran’ny Asa vaventy.
Miisa 90 ny mpiasa ho Mpanara-maso ny hetra horaisin’ny fanjakana. Hatao mandritra ny 4 andro, hotontosaina ny 21, 22, 23 ary ny 24 desambra 2026 ho avy izao ny fifaninanana. Mizara roa ny fifaninanana, ka misy ny fifaninana mivantana ho an’ny rehetra, ary ao koa ny an’ny efa am-perinasa. Azon’ireo liana hifaninana ny mijery ao anatin’ny tranokalam-pifandraisanan’ny Fitantanana foiben’ny hetra (DGI) sy misintona ny taratasy mirakitra ny andinindiny amin’ny adiresy: https: //www.impots.mg/explorer?path=/ressources/recrutements.




