Taratry ny kanto

Nisantarana ny « Antsa tononkalo mitety faritra » ny teny amin’ny Akany Avoko Faravohitra. Nitsi­dika ireo ankizy beazina ao, niantso tononkalo ary niresadresaka ireo poeta avy amin’ny Faribolana Sandratra, ny alahady teo. Nitondra fitaovam-pianarana ihany koa hanampiana ireo mpianatra.
Hisokatra ny fiofanana « Tremplin madajazzcar 2026 ». Sady fisantarana sahady ny hetsika izy ity, no sehatra hampidirana ireo tanora te hilomano anatin’ny jazz, amin’ny lalina kokoa. Hitarika izany i Joro Rakotozafiarison sy Vatsiahy Ravaloson, izay hizara ny traikefa azon’izy ireo an-taonany maro.
Mpitantana tranomboky 36 mianadahy no nahazo fiofanana tany Moramanga. Ny foiben’ny Tra­nombokim-pirenena eto Madagasikara no nitily sy nizara traikefa ho an’ireto mpiandraikitra tranomboky avy amin’ny faritra maro manerana ny Nosy ireto. Mahakasika ny fitantanana tahirim-boky, fandaminana ny asa ary fanatsarana ny tolotra omena ny mpamaky izany.

Partager sur: