Nivoitra nandritra ny hetsika “Foire pédagogique”, andiany voalohany, tany Toliara, ny maha zava-dehibe ny fanomezan-danja ny famoronana sy ny fahaiza-mamorona ananan’ny mpampianatra hoenti-manavao sy manatsara ny fomba fampianarana. Hampifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny izany. Nisy koa ny fifa­nakalozan-kevitra mahakasika ny zava-misy iainan’ny sehatry ny fanabeazana, namantarana ireo olana sedraina sy nandrosoana vahaolana iaraha-manana tamin’ny fandraisana anjaran’ireo mpisehatra sy mpiara-miombon’antoka samihafa.
 Hitohy manerana ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka ao Vakinankaratra ny fampiharana ny fomba fiasa “5S-Kaizen”. Madio, voalamina, mahomby, eny anivon’ny toeram-piasana ho fanohanana ny kalitaon’ny asa sy ny fanatsarana ny tontolon’ny toeram-piasana. Kolontsaina mitondra fiovana sy fana­tsarana maharitra ny “5S-Kaizen”, hampihenana ny fotoana very sy ny fahadisoana eo amin’ny asa.
Traboina vokatry ny fahamaizana trano miisa 661 tao amin’ny fokontany Andovoka, Amboaboaka ary Anjango, ao amin’ny kaominina Ambolobozo, distri­kan’Analalava no nisitraka fanampiana avy amin’ny BNGRC, ny herinandro lasa teo. Vary, menaka, sira­mamy, voamaina, lamba fitafy ary lamba firakotra ireo tohana nozaraina.

Partager sur: