Tetikasa JICA : manampy ny tontolo ambanivohitra amin’ny fambolena sy fiompiana

Anisan’ny tetikasa mifandimby iarahana amin’ny Japoney hatramin’izao ny hahatrarana ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Manohana izany tetikasa izany ry zareo Japoney amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa Jica (Japan cooperation international agency).

Mandeha ankehitriny ny tetikasa Jica eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana any ambanivohitra. Miaraka tohanan’ny Jica amin’izany tetikasa iza­ny, ny paikady famokarana vary amin’ny faritra sasany.
Mikendry ny ho fahavitan-tena ara-tsakafo ny Jica, koa nanatanterahana sy hanatanterahana izany, ny fampiharahana ny tetikasa amin’ny fambolena sy fiompiana. Tanjon’ny fiaraha-miasa amin’ny fanjakana ny fahavitan-tena ara-tsakafo, indrindra momba ny fampitomboana ankapobeny ny voka-bary aty Afrika. Tsiahivina fa efa nisy ny tetikasa Papriz nanomboka ny taona 2009 teto amin’ny Nosy. Nitohy taty aoriana, Papriz I sy II, saingy hatra­min’izao, tsy tratra ny fahampian’ny voka-bary eto an-toerana.
Efa namaritana tetikasa maro ny faritra betsaka, araka ny faritra sy ny toetry ny andro, nefa mbola tsy tratra ny fahavitan-tena ara-tsakafo. Araka ny fanazavana azo tamin’ny mpiasa sasany, dia tsy mahazo ketsa izy ireo. Eo ihany koa ny fotoana sasany tsy mirindra tsara amin’ny fandaharanasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy fiompiana, sy ny any amin’ny faritra.
Iatrehana ny tsy fahampian-tsakafo, ny fiaraha-miasa eo amin’ny tetikasa samy vahiny, Pam* sy Jica. Fa­nampiana ara-bola mitentina 1,6 tapitrisa dolara no avy amin’ny Jica nanampiana ny any Amboasary Atsimo. Ta­min’ny 2021, fanampiana nahafahana nanohana ireo olon-dehibe marefo, manao ny asany sy fanohanana ireo ankizy hahafahan’izy ireo mianatra. Nahazoan’ny Pam nanohana ankizy 11.000, enina hatramin’ny roa taona sy vehivavy 10.000 mahery. Ankoatra izay, ny fambolena vokatra azo hoanina, fifandraisan-davitra ho an’ny sehatra sosialy, sy ireo karazana sakafo ho an’ny ankizy.

Ndrina

Partager sur: