Ambatofinandrahana : Nihena ho 414 ha sisa ny velaran-tany ambolena orge

Tsy mitsahatra mihena ny velaran-tany ambolen’ny tantsaha ny orge any Ambatofinandrahana, noho ny tsy fahafahan’ny mpandray ny vokatra mividy azy. Manampy trotraka ny fiantraikan’ny fiovan’ny toetr’andro.

Kivy ny tantsaha toa an-dRazafimahatratra Florent, mpamboly orge any Ambatomainty, fokontany Vinany, distrika Ambatofinan­drahana. Nambarany fa : «tena loharanom-bola iankinan’ny ankohonana mihitsy ny fambolena ity zavamaniry ity, fa tsy asa fivelomana fotsiny». Akora fototra amin’ny fanamboarana zava-pisotro labiera ny orge. Nanamafy izany Razafimaharo Anjarasoa fa : «misy fiantraikany mivantana amin’ny fiainanay tantsaha sy ny hoavinay ny fitotongan’ity sehatra ity».
Namboly orge nanomboka ny taona 1996 ny tantsaha any Ambatofinandrahana. Ni­hena ho 414 ha sisa ny velaran-tany ambolena, ankehitriny, raha nahatratra 600 ha tamin’ny taona 2025. Toraka izany koa ny mpamboly, nidina ho 3 790 ny isan’izy ireo amin’izao taona 2026 izao, raha 4 852 tamin’ny taon-dasa.
Nilaza Razafimaharo Anjarasoa fa mihena ny vola miditra rehefa mihena ny velaran-tany ambolena. Mitoton­gana ny fari-piainana. Ho azy manokana, voafetra ny velaran-tany ambolena orge, raha efa namboly tamin’ny 50 ara izy taloha.
Fiovan’ny toetr’andro
Nohazavain’ireo tantsaha ireo fa manampy trotraka, mi­antraika amin’ny fiharian’izy ireo koa ny fiovan’ny toetr’andro, amin’izao fotoana izao. Ma­nanosarotra amin’ny famokarana ny tsy fahampian’ny orana. Eo koa ny hafanana ta­fahoatra sy ny tsy fahampian’ny rano.
Very hevitra ireo tantsaha. Nangatahan-dRamatoa Rafeno­manana Velonatalo Florette ny hijeren’ny fitondram-panjakana akaiky sy haingana ity zavatra manjo ny tantsaha ity, satria tena potika ny fiharian’izy ireo. Eo koa ny tokony hiarovana ny seha-pihariana orge, miantraika mivantana amin’ny mpamokatra, ny toekarena eny ifotony sy eto amin’ny firenena.

Njaka
Andriantefiarinesy

Partager sur: