Mobile Money : Mijoro ny Task Force

Manamora ny andavanandron’ny Malagasy, ankehitriny, ny fandoavam-bola Mobile Money, ifanakalozam-bola amin’ny alalan’ny finday. Maro anefa ny olana sy ny fitarainan’ny mpanjifa, indrindra ny fahaverezam-bola, ny tsy fahatomombanan’ny fifanakalozana, ny fahataran’ny famahana ny olana mitranga. Manoloana, izany, najoro ny vaomiera manokana, « Task Force » hampivondrona ireo rafitra voakasika rehetra, sady hanamafisana ny fiaraha-miasa sy hitaky amin’ireo mpisehatra ny fanatsarana, ny famahana haingana ireo olana sy fitarainana mianjady amin’ny mpanjifa.
Raha ny Artec no matetika hiantefan’ny fitarainana, dia ny fifandraisan-davitra sy ny antso an-tariby no tena andraikiny. Miandraikitra ny fanaraha-maso ireo mpisehatra amin’ny Mobile Money kosa ny an’ny CSBF. Na izany aza, ho hita ao anatin’ity vaomiera Task Force najoro ity avokoa ireo mpisehatra tsy ankanavaka voakasiky ny Mobile Money. Mandray anjara amin’ny fanamafisana ny rafitra ara-dalàna sy ny fandrindrana ny fiaraha-miasan’ireo andrimpanjakana voakasika ary ny fiarovana ny mpanjifa, ny minisiteran’ny Toekarena sy ny fitantanambola.

Njaka A.

Partager sur: