Fanaovan-gazety : Voizin’ny News 24-7 ny niomerika

Tsy mitsahatra mivoatra ny tontolon’ny niomerika. Ampi­asaina sy miantraika amin’ny fiainana ankapobeny mihitsy, toy ny ara-toekarena, ara-panabeazana, ara-pitsaboana, ara-tafika, sns. Voaka­sik’izany mi­vantana ihany koa ny tontolon’ny serasera, toy ny fanaovan-gazety sy ny fampitam-baovao. Niaiky izany, omaly, i Johary Ravaojana­hary, tale jeneraly, fampahalalam-baovao niomerika, ny News 24-7, raha Vaovao 24-7 no nahalalana azy tany aloha. Niova ho News 24-7, satria maro ny fiovana entin’ny niomerika, ankehitriny. Ankoatra ny tambajotra Facebook ma­hazatra, misy ny vovonana ana habaka samihafa ahitana azy, toy ny site web, ny tambajotra X, sns.

Fandaharana maro
Maro zava-baovao atolotr’ity Fampahalalam-baovao ana habaka ity, amin’ny fampiasana ny teny frantsay sy malagasy. Satria, haingana ny fiparitahan’ny vaovao amin’izao teknolojia izao, ka manaraka izany koa ny fiantraikan’ny mpamaky sy ny mpijery. Fandaharana vao­­vao, ma­nampy ny “Solan­ga” efa nahafantarana an’i Johary Ravaojanahary ny «Sa­lama e», resaka fahasalamana, ny «Mi­ondam-boky», lafiny tontolon’
ny boky,… Eo koa ny «Aiza izao», hampahafantarana ireo olona manana ny lazany sy
ny lanjany teto amin’ny firenena, mba ho fantatry ny tanora sy ny taranaka aty aoriana. Notsorin’ny tale jeneraly, Johary Ravaojanahary, fa : « mahaleo tena sy malalaka ny News 24-7. Mitandro ny demokrasia. Tsy natao hamalifaly na hanohintohina. Tsy mifidy vaovao avoaka, mahi­tsy sy mazava ary matotra ».

Njaka A.

Partager sur: