Tsy azo ekena ny gaboraraka eny amin’ny toby Amoronakona fa tsy toy ny teny amin’ny Fasan’ny Karana. Nohamafisin’ny minisiteran’ny Fitaterana, omaly, fa ho hentitra ny fanaraha-maso sy ny fiarovana. Tsy azo asiana mpivarotra amoron-dalana, mpanera eny an-toerana. Tsy azo asiana trano hazo sy fivarotan-toaka ary tranon-dopy. Tsy manala ny mpivarotra eny amin’ny Fasan’ny Karana ny minisitera, fa izay ifanarahany amin’ny tompon’ny tany.
Hifantoka amin’ny fananganana fotodrafitrasa ny fiaraha-miasan’i Torkia sy Madagasikara. Satria, tsapa fa mbola ahafahana mampiroborobo tsara ny fampiasam-bola avy any Torkia eto amintsika amin’ny sehatry ny fotodrafitrasa. Eo koa ny angovo, ny harena an-kibon’ny tany, ny fizahantany ary ny fanabeazana. Tafiditra amin’izao fiaraha-miasa izao ihany koa ny fifanakalozana traikefa, ka azo vinavinaina ny hitsidihan’ny tomponandraikitra sy teknsianina malagasy any Torkia.
Atao ny 15-16-17 septambra izao ny «Salon de l’Agriculture 2026», eny amin’ny Sekoly Agro Essa Ankatso. Fotoana ahafahan’ireo mpandray anjara fototra mifandray sy mifanerasera mivantana. Ihaonan’ny mpisehatra amin’ny lafiny famokarana, ny fanodinana, ny lalambarotra, ahitana ny tsy miankina, ny fanjakana, ny mpikaroka, sns. Eo koa ny lafiny fampiofanana sy ny ara-teknika, hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana ho an’ireo tanora.




