Varotra : maro anisa ireo fiara efa niasa

Manatsara ny fampidirana fiara avy any ivelany ny fadintseranana malagasy, raha mitombo hatrany ny fanafarana izany. Maro anisa indrindra ireo fiara efa niasa, tsy latsaky 12 000 isan-taona, nandritra ny telo taona nifanesy, 2017, 2018, 2019, ny nampidirina teto isaky ny taona. Anjatony miliara ariary maro ny nampidirin’ny ladoany, avy amin’ny fitambaran’ny fiara vaovao sy efa niasa. Tsy hita taratra izany tamin’ity taona ity, toy ny sehatra hafa rehetra, noho ny Coronavirus.
Ny fahamaroan’ireo fiara efa niasa amidy eto an-toerana ireo anefa manaporofo ny mbola mamparefo ny toekarem-pirenena. Tsy zakan’ny fahefa-mividin’ny maro ny fiara vaovao, moa ny efa niasa safidy mahazatra, indrindra any amin’ny fitaterana. En­drika iray hitsarana ireo fiara ireo ny mandeha amin’ny gazoala, mitombo hatrany: 75,1 %, araka ny antontanisa farany tamin’ny 2017. Talo­han’izany, mbola manodidina ny 60 % ny mandeha amina gazoala. Manamarina fa tsy miasa firy any ivelany ireny fiara ireny. Singa iray koa mampihanaka ny rivotra maloto (CO2), hita tsy voasakana eto an-toerana.

Ndrina

Partager sur: