HetsikA teny Ambatofotsy: Tora-bato no nahafaty ilay mpitolona

Tsy tifitra fa tora-bato no antony namparatra ilay lehilahy 20 taona, mpitolona nanao fihetsiketsehana teny Ambato­fotsy, afakomaly, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny polisim-pirenena Fip. Naratra mafy noho ny tora-bato ny lo­hany ka nitarika azy tamin’ny fahafatesany, raha ny fanazavana voaray hatrany. Nezahina novonjena haingana teny amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha ny naratra, saingy tsy tana ny ainy. Ankoatra izay, mbola miatrika fanadihadiana eny amin’ny Brigade criminelle Anosy kosa ireo olona 16 voasambotra nandritra iny fihetsiketsehana sy fidinana andalam-be iny. Mbola anaty fanadihadiana tanteraka ny polisy misa­hana ny famotorana azy ireo.
Taorian’ny fihetsiketsehana nataon’ireo mpitatitra avy etsy amin’ny tobim-piantsonana Fasan’ny karana, afakomaly, tsy nitohy intsony izany ho an’ny omaly. Efa nifindra eny amin’ny tobim-piantsonana vaovao avokoa ny ankamaroan’ ireo fiara mpitatitra, ho an’ny omaly. Marihina fa omaly ny fe-potoana hampiharana ny sazy ho an’ireo fiara mpitatitra mbola tsy manana ny quitus avy eny Amoronakona mandeha amin’ny lalam-pirenena fahafito sy faharoa, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro.

Mino

Partager sur: