Samy hita faty tetsy amin’ ny reniranon’Ikopa, Tanjombato, ny vatana mangatsiakan’ireo tovolahy roa antsoina hoe Tahiry (22 taona) sy Tiavina (25 taona). Tsy hita ny zoma hariva ireto zanak’olom-pirahavavy ireto ary natao ombay mitady nanomboka ny sabotsy teo. Hita faty ny talata hariva tokony ho tamin’ny
5 ora sy sasany i Tiavina, raha omaly alarobia tokony ho tamin’ny 9 ora sy sasany maraina, ny vatana mangatsiakan’i Tahiry. Nahatsikaritra faty natsingevan’ny rano teny amin’ny tetezan’ny Saropody ny mponina ka niantso ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina. Tonga nijery sy nanamarina ny razana ny fianakaviana vantany vao naheno ny vaovao. Nahitana ratra ny fatin’izy roa lahy, ny teo amin’ny fihirifany, ny lohany ary ny molotra. Tombanana ho novonoina nefa niaro tena ihany izy roa lahy ireo, raha ny fanazavan’ny havany, rehefa nanontaniana tetsy amin’ny tranom-paty HJRA, omaly. Mbola teny aminy avokoa ny akanjo nanaovan’izy ireo, saingy very ny finday tany amin’i Tahiry.
Niara-nivoaka ny trano fonenany tetsy Ampamantanana Androndra, ny zoma hariva izy roa lahy. « Tsy fanfatra mazava ny anton-diany fa tokony hanao match foot-ball ny sabotsy hariva izy ireo », hoy Rakotoarivelo Andriniaina, rahalahin’i Tiavina. Tsy nody intsony anefa taorian’ izay. Nandrasana ny sabotsy atoandro nefa tsy tonga, teo vao nikoropaka ny fianakaviana sady nanao ny fikarohana. Raha ny fanazavana voaray tamin’ny fianakaviany, nisy vehivavy roa nanao vela-pandrika azy roa lahy handeha ao amin’ny trano iray teny an-toerana ihany. Nisy korontana anefa tao amin’ilay trano tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo tao. Tsy nampandre ny tomponandraikitra sy ny manam-pahefana akaiky anefa ny tompon-trano. Efa nisy roa lahy niandry azy ireo tao ka namono azy ireo. Velam-pandrika efa nomanina izao vono olona izao, hoy ihany ny fanazavana. Mangataka ny hanafainganana ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana ny fianakaviana. Marihina fa mbola mpianatra i Tahiry, raha mitazona Cyber café kosa i Tiavina.
Mino




